Actualités

ILAKAKA – MPIBIZINA SAFIRA VOATAFIKA Lasan’ny jiolahy 5 nirongo basy ny vola 12 tapitrisa Ariary


  • Talata 09 Septambra 2014

Nitrangana fanafihan-jiolahy narahina fandrobana indray tany Ilakaka ny alahady teo. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia mirahalahy mpividy vato avy any Ambovombe Androy nibizina safira efa an-taonany maro tao Ilakaka no voatafika,

tany atsimon’i Manombo, ka lasan’ny jiolahy tamin’izany ny lelavola 12 tapitrisa ariary saika hividianana safira. Teny an-dalana dia nifanehitra tamin’ny malaso izy mirahalahy. Tsy misy ny alaharo fa tonga dia nitifitra ireto farany. Nisolifatra teo amin’ny ilan-tanana an-kavian’ny mpividy vato iray ny bala. Nahita izany ilay namany tonga dia niankohoka tamin’ny tany nibaboka. Ny tany koa ngazana zara raha misy bozaka avo azo hiafenana. Lelavola mitentina 12 tapitrisa ariary niampy finday telo no lasan’ireo olon-dratsy izay voalaza fa nitondra basy lava ny roa, raha basy vita gasy kosa ny telolahy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT