Nanomboka ny zoma lasa teo, taorian’ny fametrahana ny vato fehizoro, ny asa fanamboarana CEG vaovao voalohany ao Ilakaka, distrikan’Ihosy, izay mitentim-bidy 100 tapitrisa ariary, ahitana efitrano fianarana efatra sy birao iray ary trano fidiovana sy fivoahana
. « Mpandraharaha Srilankey iray « Masha Gems » no hiantoka manontolo ny lany rehetra amin’ny asa fananganana ity sekoly vaovao ity sy ireo fotodrafitrasa miaraka aminy, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Faritra », hoy ny lehiben’ny faritra Ihorombe, Kly Reribake Jeannot. Raha ny fanazavana azo dia haharitra telo volana ny asa ary hotokanana amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana vaovao io ity CEG ity. « Ho afa-pahasahiranana isika ray aman-dreny mampiana-janaka fa tsy handeha ho any Ranohira na Ihosy na Sakaraha intsony ireo mpianatra zanatsika afaka fanadinana Cepe hanomboka ny taom-pianarana hitsidika io », hoy ny DREN Ihorombe, Rtoa Jeanne Victorine Rasoamandroso.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.