Mbola foto-drafitrasa vita tamin'ny andron'ny fanjanahantany teto amintsika no betsaka mitsangana any amin'ny distrikan'Ikongo V7V misy anay, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel
, teny amin'ny CCI Ivato toerana hivorian'ireo solombavambahoaka ao anatin'ny fiatrehana ny fivoriana ara-potona voalohany amin'ity taona 2020 noho ny fiatrehana ny ady amin'ny tsimokaretina covid-19 ka hilana toerana malaladalaka kokoa hazahoana mampiatra ny fepetra fanajana ny elanela 1 m takian'izany ady izany na dia tsy voahaja kosa ny fepetra tsy fahazoan'ny olona mihoatra ny 50 isa mivorivory. Na ireo birao hiasan'ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa any amin'ity toerana ity, na ireo trano sekoly hianaran'ireo zanaka amam-para, na ireo lalana mampitohy tanànan'Ikongo sy ny manodidina azy na ity distrika ity amin'ny faritra hafa dia tena mbola izay vita tamin'izany fanjahantany izany avokoa no betsaka mbola hiainana any an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.