Faritra mena hatry ny ela Ikalamavony ary miaina ao anaty horohoro tanteraka ny mponina any amin’ity Distrika andrefan’i Fianarantsoa ity amin’izao, satria tsy misaraka amin’ny basy mahery vaika hatrany ireo dahalo manafika
Ny zoma antoandro teo, tao Maherivinda, Fokontany Ambodivohitra dia omby 70 teo am-piraofana ahitra no norobain’ny dahalo ary nalain’izy ireo an-keriny nataony takalon’aina ny mpiandry omby iray. Notapahin’ireo dahalo ireo anefa ny lohan’ity farany, noho ny antony tsy mbola fantatra, ka maty tsy tra-drano. Ny ampitson’io, olona roa tamin’ireo Fokonolona mpanara-dia no naratra mafy voatifitry ny malaso ka tapaka tanteraka ny tanan’ny anankiray, tao amin’ny tanànan’i Mandoanono, Fokontany Ivatsiana, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Hetahetan’ny mponina ny handraisan’ny fanjakana andraikitra amin’izay mba hamerenana ny fandriampahalemana, satria tsy mionona amin’ny fandrobana omby intsony ny olon-dratsy fa mandatsak’aina sy manolana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.