IHOSY, FARITRA IHOROMBE

Rongony 42 kitapo tratra sy nodorana


  • Zoma 30 Mey 2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Faritra Ihorombe andro vitsy lasa izay. Nodorana ny 28 May lasa teo izy ireo tao Ankadilanambe.Ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ihosy no nitarika ny fandorana izay notronin'ny lehiben’ny kaomisaria Ihosy, ny Prefet, ny Governora ary ny avy amin'ny Zandarimaria. Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin'ny olona tsara sitra-po nanome loharanom-baovao ny Polisy no nahatratrarana ireo rongony ireo. Ny 11 May lasa no tra-tehaka ny rongony miisa 34 kitapo tany amin’ny lalam-pirenena faha-7, raha tsiahivina. Nandositra avy hatrany ireo olona nitondra izany raha vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana. Ny 12 May teo kosa no tratra tao amin'ny fokontany Anadabo kaominina ambanivohitra Ankily ny gony miisa 08 nandritra hetsika fitsirihana nataon’ny Polisy.Nodorana tamin'io fotoana io ihany koa ny rongony miisa 10 kitapo izay saron'ny avy ao amin'ny Zandarimaria Ihosy.
Pati
Légende : Nodorana tahaka izao ireo zava-mahadomelina tratra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT