Actualités

Ihazolava Ambatolampy Nivadika mosoara ny volan’ilay mpanao cash point


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Cash point iray ao Ihazolava, tanàna iray mivoaka an'Ambatolampy raha ho any Antsirabe no voasolokin'ny jiolahy ny sabotsy teo. Fiara marika hyundai iray no nitondra azy ireo ka lasany tamin’izany ny vola 780.000 Ar ary nisolokiany nanomboka tany Ambatofotsy.

 

 Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tonga teo amin'ity cash point ity ny lehilahy iray, ka nilaza fa sao dia mba very vola ilay mpanao cash point . Nilaza mantsy izy fa nahita vola latsaka teo akaikin'ilay tsenany. Tsy nanam-po akory ity mpivarotra fa dia nanamarina ny kaontiny ary nilaza fa toa banga tokoa ny volany "Vola valo 80.000 Ar no hitanay teto hoy ilay lehilahy ka ity ny 60.000 Ar ary andao alaina etsy akaiky etsy ny ambiny". Dia nanaraka tokoa ity mpivarotra. Nisy lehilahy faharoa nipoitra indray nandritra izany nakany ilay vola. Nomena ilay 20.000 Ar ary nitaky kadoa izy roalahy. Nomen'ilay mpivarotra 30.000 Ar izy roalahy nandritra izany ho kadoa. Mbola nahita nolazaina ihany anefa ireo mpisoloky ka nilaza tamin’ilay mpanao cash point hoe : tandremo ny vola ramose amin'ny sisa, ataovy anaty sachet fa aza aparitaka anaty poketra toy izao. Toy izao no fanaovana azy hoy indray izy ireo samy nikirakira teo izy telolahy. Vita pirina ny vola ka rehefa nisaotsaotra ilay mpivarotra dia lasa izy roalahy. Nony tonga tao an-tsena anefa izy ka nosokafany ilay sachet dia "mouchoir à jeter no tao anatiny.Teo vao tonga saina ilay mpanao cash point ka nenjehina haingana ireo mpanao ratsy. Nantsoina ny zandary ka namelatra sakana avy hatrany.Tratra tokoa ilay fiara ka olona 5 no tao anatiny izay vehivavy ny iray. Rehefa natao ny fisavana dia mbola tratra tao ny vola 780.000 Ar voasoloky.Tovolahy vao 26 taona ny roa, 25 taona ny iray ary 20 taona ny farany, raha vao 17 taona monja ilay vehivavy iray izay mbola mampinono.Raha araka ny fantatra hatrany moa dia monina eny 67ha sy Anosizato ireo jiolahy. Nanomboka tany Ambatofotsy sy Behenjy izy ireo no nanao ny asa ratsiny saingy teo Ihazolava no nahatrarana azy.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT