IFARIHY ANKARAOBATO

Zazalahy kely nanjavona tampoka


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Zazalahy kely iray manodidina ny 10 taona eo ho eo no nanjavona tampoka

teny Ankadimbazimba Ifarihy Ankaraobato omaly Alarobia 13 Desambra tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Raha araka ny vaovao azo tamin’ rieo manodidina dia nisy lehilahy niresaka tamin’ity zaza ity, lehilahy izay mbola tsy fahitan’izy ireo. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia mbola tsy hita ity zaza ity koa miangavy izay mahita azy na manam-baovao momba azy ireo fianakaviany sy ny Ray aman-dReniny mba hiantso azy ireo. Ny laharam-pinday 038 32 91 897 na 034 41 872 15 na ny 032 34 600 50 moa no hahafahana mifandray amin’izy ireo. Marihina fa mihabetsaka indray tato ho ato ireo ankizy manjavona sy tsy hita tampoka hanaovana filazana sy peta-drindrina eny rehetra eny.
Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely sy ny Reniny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT