Ifampitadiavana ny lasantsy

Misavorovoro ny saim-bahoaka…


  • Alarobia 02 Jolay 2025

Misy toe-javatra hafahafa mikasika ny famatsiana solika eto Madagasikara.

Tato anatin’ny herinandro, mihamafy ny tsy fahitana lasantsy eny amin’ireo toby mpaninjara solika. Na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra sasany dia misy io an’io toe-javatra io. Ny alahady teo ohatra, tsy nahitana ny lasantsy SP95 tamin’ny ankamaroan’ireo toby mpaninjara nanamorona ny RN2 niala Ambohimangakely hatrany Ambohimalaza. Ny Shell ihany no nahitana tamin’io fotoana io, raha toa ka nilaza ireo pompistes fa tsy misy avokoa ny Galana, Total, ary Jovenna. Tao ny nilaza hoe : rahampitso indray vao misy. Omaly maraina, nihamafy ihany koa ny tsy fisiana tany amin’ny RN1 niainga teny Anosizato, Fenoarivo, Alakamisy, Ambatomirahavavy,… Betsaka ny filaharana teto Antananarivo omaly takariva toy ny tetsy Andranonahoatra. Efa talohan’ny fetim-pirenena no nisy an’io tranga io, saingy niezaka nampitony saim-bahoaka ny Fanjakana. Nolazaina ny 25 jona, fa tsy misy ahiana ny famatsiana. « Mitohy ara-dalàna sy tsy misy fanelingelenana ny famatsiana solika, tonga ara-potoana hatrany ny sambo avy any ivelany mitondra solika, ka tsy misy atahorana ny famatsiana manerana ny Nosy. Mitotaly 104 tapitrisa litatra ny gazoala, ary 23 tapitrisa litatra ny lasantsy SP 953 », hoy ny Minisiteran’ny angovo. Ny sambo farany tonga nitondra entana dia tamin’ny 12 jona, nilazana fa manaporofo ny fahamarinan’ny rafitra famatsiana. Fitomboan’ny fanjifana no nambara fa antony mampisavoritaka vetivety talohan’ny fetim-pirenena, kanefa io mbola mitohy io. Nolazaina fa nitombo 25% ny fandaniana tamin’ity taona ity noho ny fety sy fialan-tsasatra , zava-misy izay mitranga hatrany amin’izao vanim-potoana izao. Tsy mijanona eo anefa, fa lasa tonga hatrany amin’ny fanararaotana ka misy ny miezaka manangon-tsolika mitondra barika mihitsy izay toy ny hita teny Behoririka izay mampametra-panontaniana hoe : azo atao ve izany ? Nahoana ihany koa ny Fanjakana no nangina na tara teo anatrehan’ny firontanana na fikoropahana izay efa mahafaobe na « panique générale » sa andrasana hisavorovoro mihitsy vao milaza ny antony sy maneho fa mitondra vahaolana? Omaly takariva vao niteny ny Tale Jeneralin’ny OMH Atoa Raveloson Cydolin hoe : « olana ara-pitaterana no mahatonga ny tsy fahampian’ny solika eto Antananarivo, ary efa an-dalana ny kamio ». Ny herinandro teo anefa no efa nilazana fa hampitomboina ny fandrindrana ny fitaterana solika anatiny, indrindra mankany amin’ny faritra afovoan-tany toa an’Antananarivo, Antsirabe, sy Fianarantsoa. Mihoatra ny 300 ireo fiarabe mpitatitra mampifandray mivantana amin’ny toby fitahirizana an’ny Logistique Pétrolier eny Alarobia sy Soanierana, ankoatra ny toby mpaninjara isanisany, hoy ny fanambarana ny 25 jona teo. Nahoana anefa no misy izao toe-javatra izao ? Sehatra stratejika sy ianakinan’ny fiainam-bahoaka ny solika kanefa nahoana no havela hisy savorovoro ? Misy olana goavana ny fitaterana sy fitsinjarana fa tsy milaza ny marina ny Fanjakana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT