Nisy fiakarany ny fampiasam-bola mivantana avy avy any ivelany (IDE) tamin’ny taona 2024,
hoy ny tatitry ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar ). Araka ny angona navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), voalaza fa nahatratra 602 tapitrisa dolara amerikana ny totalin’ireo fampiasam-bola miditra avy any ivelany, izany hoe fitomboana 16 % raha oharina amin’ny 519 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2023. Nolazaina fa vokatry ny fanavaoazana ara-drafitra nanomboka ny taona 2019 io fiakarana io. Notsongain’ny EDBM manokana amin’izany ny lalàna vaovao momba ny fampiasam-bola, famerenana nijery ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany, ary koa ny fanokafana amin’ny sehatra tsy miankina ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Nanampy trotraka tamin’izany ny “diplomatie économique offensive” na “diplomasia ara-toekarena mandroso”, izay, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rafaravavitafika Rasata, izay nilaza fa fomba fiasa mivoatra amin’ny fanentanana ara-toekarena, tsy miandry fa mitady fahafahana ho an’ny sehatra tsy miankina malagasy. Nampanantena ny minisitra fa miasa andavanandro amin’izany ireo masoivoho sy solontenan’i Madagasikara any ivelany. Eo amin’ireo firenena mpampiasa vola amin’i Madagasikara dia mitana ny laharana voalohany i Frantsa tamin’ny taona 2023, niaraka tamin’ny famatsiam-bola mitentina 199 tapitrisa dolara. Manaraka azy ny Etazonia (63 tapitrisa dolara), Nosy Maorisy (61 tapitrisa), Japana (58 tapitrisa), ary Fanjakana Mitambatra na Royaume-Uni (37 tapitrisa dolara). Azo raisina ho taratry ny fientanana ara-toekarena ny fitomboan’ny IDE, kanefa mbola mila fandanjalanjana amin’ny fiantraikany ho an’ny toekarena ifotony sy ny tombontsoam-bahoaka, raha ho an’i Madagasikara. Tsy mbola hitan’ny vazan’aina ara-toekarena eto noho ny krizy sy fahantrana lalina. Mbola lavitry ny kitay ny afo raha oharina amin’ny tarehimarika tany alohan’ny fanonganam-panjakana 2009 satria nialohan’io dia efa tafakatra 1,2 miliara dolara ny IDE teto Madagasikara, kanefa 15 taona aty aoriana any amin’ny 602 izany hoe ampahefany mahery kely. Miankina amin’ny fanamafisana ny mangarahara, ny fanavaozana lalàna sy rafitra, ary ny fanaraha-maso akaiky amin’ny tetikasa rehetra vao tena hahazoana antoka fa ho tombontsoan’i Madagasikara ny fandraisana ireo mpampiasa vola ireo, izay mila antoka maro ihany koa : politika, fampiasam-bola, fandriampahalemana, ady amin’ny kolikoly,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.