IDDA III, Fihaonana an-tampony

momba ny indostria Navoitran’I Madagasikara ny ODOF, PTSO, PAISF


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Nisolo tena an’i Madagasikara tany amin’ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ara-indostria

an’i Afrika (IDDA III) ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny indostria Edgard Razafindravahy sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Yvette Sylla Anatin’izao Fivoriambe faha-78 ho an’ny Firenena Mikambana izao no nanatanterahana tany New York ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ara-indostria an’i Afrika (IDDA III). Ity vaninandron’ny Zoma 22 Septambra 2023 ity no natokana ho amin’izany. Nivoitra fa mila maharaka ny fifaninanana anatin’ny fanatontolona ny tany afrikana. I Madagasikara manokana dia resy lahatra fa amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria no hampandrosoana ny firenena. Manana ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) ny MICC hampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Eo koa ny tetikasa hafa toy ny Tetikasa fanodinana ara-indostria an’ireo voka-pambolena any Atsimo Andrefana (PTASO), ny Tetikasa fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola (PAISF) sy ny Faritra ara-toekarena manokana.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT