Mpianatra amin’ny kilasy 9ème hatramin’ny 7ème miisa 300 avy amin’ny sekolin-dry masera Providence etsy Amparibe no niaka-dapa teny Iavoloha omaly, vahin’ny vadin’ny filoham-pirenena.
Hetsika tafiditra amin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy sy ny fanentanana amin’ny hamerenana an-tsekoly indray ireo zaza 5 ka hatramin’ny 17 taona niala an-daharana noho ny antony samihafa. Nizarana arendrina sy vatomamy izy ireo nandritra izany. Nitohy teny Amin’ny Fokontany Amboasarikely Boriborintany voalohany sy teny amin’ny EKAR Marie Mpanampy Soanierana ny fizarana fanomezana amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-54 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.