Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra fitsarana anio talata 24 jnona i ny mpanao gazety Fernand Cello
taorian’ny fisamborana azy ny alin’ny 31 janoary 2025 teo, narahin’ny fampidirana am-ponja. Nenjehina ho nanely vaovao tsy marina sy manohintohina ny filaminana anatiny. 4 volana aty aorian’ny nanagadrana azy, ho afaka sa halentika i Fernand Cello ? Mifananindran-dalana amin’io, nisy ny fanambarana sy antso avo nataon’ny Tangalamena ao Bongolava Atoa Avimana Raymond Rain’i Fernand Cello miantefa amin’ny Filoham-pirenena. Ity Raim-pianankaviana ity izay 91 taona izay naniry hihaona amin’ny Filoham-pirenena saingy tsy afa-manoatra noho ny fahanterany sy ny tsy fahasalamany. Nambarany fa fanendriketrehana no atao ny zanany, ary tsy avy amin’ny Filoham-pirenena, fa avy amin’ny mpiara-miasa aminy. Mangataka amin’ny Filoham-pirenena ny hamotsorana ny zanany ity Tangalamena ity, izay nanipika fa tsy izy mihitsy no hanohitra ny Fitondrana, ary ireo Fitondrana nifanesy hatramin’ny Repoblika voalohany hatramin’izao, dia nanolotra mari-boninahitra farantampony ho, ka nilazany ihany koa, fa izy no nitarika ny fampandaniana an’i Andry Rajoelina tao amin’ny Faritra Bongolava, nitarika ny Tandroy ka nahazoan’ny Filoha ankehitriny vato, raha ny nambarany. Ny mpiara-miasa aminao dia mamahan-dalitra, dia tazonina am-ponja tsy tsaraina efatra volana ny zanany. Noho ny tsy fitiavan’ny mpiara-miasa aminao ny zanako dia manendriketrika ny zanako, ka miangavy aminao aho mba hamotsorana azy, Raiamandreny aho no mangataka aminao, jero ny mahazo anay, hoy ny Tangalamena Avimana Raymond.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.