Actualités

Hotely iray ao Ambondromamy RN4 Ati-kena no kaomandy, éponge no tonga


  • Talata 25 Aprily 2023

Mila fanaraha-maso hentitra ireo sakafo haroso ho an’ny mpanjifa ao Ambondromamy, any amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny.

Hatreto mantsy dia efa maromaro ihany ireo olona nitaraina fa tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo rehefa tonga eto Antananarivo na any Mahajanga. Misy amin’izy ireo no mivalan-dra mihitsy raha misy ireo mandoa sy marary kibo tsotra. Raha araka ny fitarainan’ireo mpanjifa dia mety ho ny menaka miverimberina hampiasain’ireo hotely raha eo ihany koa ny havoretrana no antony mahatonga izany. Misy mihitsy moa ny namoaka vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera fa navadik’ireo mpanao hotely éponge fanasana lovia nasiana saosy ny ati-kena laoka nokaomandiany izay nalainy sary mihitsy. Tsiahivina anefa fa efa mahatratra 6000 Ar ka hatramin’ny 10.000 Ar amin’izao ny iray lovia amin’ny vary maina sy laoka ao Ambondromamy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny sampan-draharaha misahana izany eo anivon’ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka mba hijery akaiky io tandrevaka hataon’ny hotely ao Ambondromamy io fa tena mihatra aman’aina tokoa. An-jatony isan’andro moa ireo olona misakafo ao an-toerana raha tsiahivina.
Pati
Legende : Ity ilay « ati-kena – éponge » natao laoka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT