ny atrikasa hanangonana hevitra hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena. Eto Antananarivo kosa no handrafetana farany ny fehin-kevitry ny fampihavanam-pirenena amin’ny volana oktobra.
Nahitam-bokany tsara ny fametrahana ireo “camera de surveillance” 4 teto Antananarivo Renivohitra. Nihena ny harom-paosy sy ny sinto-mahery ary ny fanendahana noho ny fisian’ireo fanarahamaso ireo, hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena. Raha 7 ka hatramin’ny 8 isan-kerinandro ny herisetra nitranga dia nihena ho 2 ka hatramin’ny 3 izany. Tanjona ny hametraka “camera de surveillance” manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra.
Niaiky omaly ny minisitry ny mponina fa tsy mbola tomombana mihitsy ny resaka fiahiana ara-tsosialy eto amintsika. Ireo vitsy an’isa miasa ara-dalàna ihany no manana fiahiana ara-tsosialy. Ao anatin’ny fahantrana ny 80%-n’ny Malagasy, mandrianga ny asa fampandrosoana raha tsy voakarakara izy ireo, hoy ny minisitra. Tsy mbola misy ny politika nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy hatramin’izao , saingy efa eo am-piketrehana ny fandrafetana azy kosa nyfitondram-panjakana.
Naharay vaovao ny zandarimariam-pirenena fa mety misy andian’olona hanakorontana eto Antananarivo Renivohitra. Ho hentitra izahay ary tsy hitsitsy mihitsy manoloana ireo mpanakorontana, hoy ny kolonely Florens Rakotomahanina, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena eto Antananarivo.
Nanamafy ny banky foiben’i Madagasikara fa manan-kery hatrany ny vola 2 000Ar sy 500Ar na ny vaovao na ny tranainy. Nisy mantsy ny fanavaozana ny hamafin’ny taratasy sy akora nanamboarana azy ka heverin’ny mpivarotra sasany fa vola sandoka. Rehefa misy lohan’omby izy dia tsy hosoka.
Voalaza fa misy Malagasy mangataka tany 200ha eny Laniera kaominina Antehiroka distrikan’Ambohidratrimo eny ankehitriny. Rehefa nofotorana anefa dia teratany vahiny no ao ambadika fa atao fitaovana fotsiny ireo Malagasy mpangataka.
Mila mailo ny firenena Malagasy amin’ilay aretina Ebola misy any Afrika andrefana sy afovoany amin’izao fotoana. Nosy mantsy isika ka ny fifamezivezena dia efa mampiparitaka azy.
Efa voatsara ny taranja Malagasy sy ny siansa maha olona na SVT amin’ny fanadinana Bepc eto Antananarivo Renivohitra. 30 000Ar isan’andro no tambinkaraman’izy ireo. Voamarika anefa fa akan’ny fanjakana hetra na Irsa izy ireny ka raha tokony hahazo 150 000Ar dia lasa 136 000Ar sisa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.