Hosoka manara-penitra

Abontsina ny vaton’ny IRMAR fa tsy hitan’ny rindram-baiko…


  • Talata 04 Jona 2024

Betsaka ireo tranga mampiahiahy momba ny fanatsimbadihana voka-pifidianana amin’ny alalan’ny

fanabontsinana ny isam-baton’ireo kandida. Endrika iray nisehoany ny tany Sakaviro Mahasoa Manombo Be any amin’ny distrikan’i Ihosy, raha ny karazana ampamoaka nataon’ny Kandidan’ny Firaisankina, izay nampiseho fa 45 ny isam-bato azon’ny kandidan’ny IRMAR, saingy notovopnana 4 teo alohany ka lasa 445. « Mba tena sahy aloha ianareo manao zavatra toy izao. Satria ve matoky tena ianareo fa anareo ny CENI, HCC Dia sahy manova ary mangalatra toy izao. Toherinay ary tsy hisy ho afabela amin'izao ianareo voakasik'izao halatra tsy misy tahotra izao ? Satria ve nangalarinareo ny vatoko 2014, 2019 dia mbola hanohy koa 2024 ity. Stop! Ity kosa tsy handefitra intsony izahay. Matoky izahay fa misy fanjakana mijoro eto tsy hitazam-potsiny izao zavatra mangalabaraka ny firenena izao », hoy ny kandida Ranary. Ampamoaka nataon’ny Mpitarika eo anivon’ny Firaisankina dia ny Ambasadaoro teo aloha sady kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany kosa ny tranga tany Vondroso. « Ity misy ohatra anankiray fotsiny avokanay androany momba ny hosoka natao tany vondrozo. Ny kaominina Ambanivohitra Vohiboreka izay misy Birao fandatsaham-bato enina no resahina androany. Ny sary voalohany dia « tableau récapitulatif » avy amin’ny SRMV izay manome isam-bato 463 ho an’i kandida tsy miankina Randrianasolo Volatiana Pauline ary isam-bato 931 ho an’ny kandida IRMAR na kandidam-panjakana. Ny sary enina manaraka dia ny isa azon’ireo kandida tsirairay tamin’ny birao fandatsaham-bato 6. Raha ny fitambaran’ny vato azon’ny kandida Randrianasolo Volatiana Pauline dia tsy niova fa 463 ihany fa ny an’ny kandida IRMAR dia 412 fa tsy 931 izany hoe nahazo any amin’ny 519 amboniny. Ny tena loza dia noho io halatra bevava io dia lasa ambony indray ny « nombre des voix » na ny isam-bato (1996) toy izay ny « nombre des votants » na ny nandrotsa-bato (1878). Ny zavatra ohatr’ireny dia tokony ho hitan’ny rindram-baiko na « logiciel » raha manara-pentitra. Araka ny tatitra dia misy efatra ny kaominina misy tranga ohatr’izao mba handresena an’i depiote Randrianasolo Volatiana Pauline izay mitarika amin’ny elanelam-bato 1400 », hoy Atoa Paraina Auguste. Dia hoboriboriana amin’ny manao fitoriana kanefa homena ny azo raisina fa tsy mitombina ve ny tahaka ireny ? Sa hoentina any amin’ny fanafoanana ampahana voka-pifidianana ? Ireny no tratra fa betsaka no mbola mampiahiahy…
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT