Fahitalavitra “écran plat” tao anaty kaontenera nanaovana fanambarana hosoka sy diso sarona ny alarobia 26 aogositra 2020 teo tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.
Mandeha ny fanadihadiana amin’ireo mpamoaka entana sy mpanafatra entana, ka efa mihoatra ny 4 no natao famotorana any Toamasina hatramin’ny omaly, iantsorohan’ny borigady misahana ny heloka amin’ny ladoany. Vahiny iray eto an-drenivohitra mpanafatra entana no voalaza fa isan’ny tompon’antoka. Efa fanaony io fa izao izany izy vao tratra, noho ny ezaky ny Fitantanana ny fadin-tseranana amin’ny alalan’ny fanaovana « contre visite », hoy ny fanamarihana. Tele ihany no anaovany fanambarana fa ny any amin’ny isany no ahenany, raha 600 isa ohatra no ao anaty kaontenera dia lazainy hoe 100 na 200 dia ny 500 izany, na ny 200 miditra fotsiny. Kaontenera 40 pieds, tele no ao anatiny, fanambarana isa sandoka sy lazaina fa tele taloha ilay somary mivoitra ireny ny vodiny, ka ireny dia vitsy no tafiditra fa raha ilay “écran plat” fisaka dia marobe izany ny isany. Ireo entana tsy nanaovana fanambarana no ifanarahana amin’ireo tompon’andraikitra dia samy mahazo ny anjarany avy eo, na ny tompon’andraikitra, na ny mpamoaka entana, na ny mpanafatra, fa ny fanjakana izany 0 ariary ny azy. Efa tena tambajotra mihitsy ity tratra ity, ka ilay izy sady mpiasan’ny fadin-tseranana no “transitaire, izany hoe “juge et parti” ny olona manao azy, izany hoe sady mpiasa no mpamoaka entana, hoy ny fanamarihana. Andrasana ny tohiny !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.