Actualités

Horonantsary tao amin’ny TVM Miteraka resabe tsy mety vita


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Fandrendreham-bahoaka na “manipulation de masse”, hoy ny sasany. Ny hafa indray moa dia nanamafy fa efa voalazan’ny soratra masina fa hipoitra any am-parany any ny mpaminany sandoka.

 

 

 

 

 

Nisy koa, mazava ho azy, ireo nino fa tena tantarana faminaniana marina ny horonantsary naseho tao amin’ny fahitalavim-pirenena [TVM] ny alin’ny alakamisy 16 aprily teo. Niteraka resabe ity horonantsary nitantara fandalovana ramatoa Brezilianina teto Madagasikara ity izay raha ny fitantaran’ny nanao fanadihadiana moa dia nanao faminaniana izy io fa tsy ho voakasiky ny Coronavirus I Madagasikara ary ho hita eto ny fanafodin’ity areti-mandoza manahirana izao tontolo izao ity. Mahagaga ihany anefa hoe nandany vola aman-karena sy fotoana nandalo teto ity lazaina fa mpaminany ity saingy mbola napetrany ny fepetra toy ny hoe “raha miova toe-tsaina ny malagasy”, hoy indray ny fitsikerana hafa. Ny hany hitako mitombona tao anatiny dia ny hoe mila miverina amin’Andriamanitra isika, hoy koa ny sasany. Maro dia maro noho izany ny resabe sy fihetseham-po naterak’ity horonantsary ity. Tao ireo sorena, tao ireo naneso, tao koa ireo nino fa mitombona izay voatantara tao. Fanontaniana lehibe mipetraka ny hoe fanodinana saim-bahoaka tokoa na ilay antsoina hoe “diversion” ve izy iny mba tsy hifantohan’ny vahoaka malagasy amin’ny tena zava-misy marina na ireo tsy fahatomombanana mitranga amin’ny fihatrehana izao ady amin’ny COVID 19 izao sa ho singa hanamarinana koa fa tena eto tokoa ny fanafodin’ity areti-mandoza ity? Efa maro ihany izay nilaza azy ho mpaminany sy mpahita nanambara fa tany hafa mihitsy izay i Madagasikara ary hisandratra ambony indrindra tsy ho ela saingy mbola ao anaty firenena miisa 4 mahantra indrindra aloha isika hatreto na dia malaza ho be harena aza.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT