Actualités

Horonantsary mamofady, ompa,… Ny mpandrindra vondrona facebook no manefa


  • Talata 29 Septambra 2020

Fanaparitahana sary sy horonantsary mamoafady, fihantsiana adim-poko sy fanompana olona ary fanalam-baraka mpitondra fanjakana , mpanao politika sy ireo olom-pirenena tsotra .

 

 Ireo no isan'ny miverimberina hita tao anatin'ilay vondrona "Zava-misy eto madagasikara sy Maneran-tany" ka voatery nandray ny andraikitra ny Polisy ary nosamborina ny lehilahy 01 tompon'ireo vondrona ireo rehefa natao hatrany ny fanentanana mba tsy hamoaka vaovao tsy mendrika toy ny hita tetsy ambony satria manimba ny fisainan'ny fiaraha-monina malagasy izany, hoy ny Polisim-pirenena. Nomarihin’ny mpitandro filaminana fa anisan’ny tompon’andraikitra feno amin’ireo “publication” izay mivoaka eo amin’ny pejy na ny vondrona tantaniny ny “administrateur , ny modérateur “ ny vondrona tsirairay ka noho izany dia tokony hanara-maso ny vaovao sy ny zavatra avoakan’ny olona izy ireo. Nanentana hatrany ny mpampiasa ny tambazotran-tserasera rehetra mba hampiasa izany am-pahamendrehana ny avy amin’ny Polisim-pirenena. Vao tsy ela no nisy ireo raharaha fanenjehana, tahaka ilay nahazo ny mpanakanto iray sy ireo mpikarikara vondrona facebook, saingy maro no mbola tsy fay.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT