Horonantsarin’i Andry Biahary

Naneho ny fahatezerany i Monja Roindefo


  • Talata 05 Desambra 2023

Manoloana ny horonantsary nataon’i Andry Biahary tao amin’ny pejiny (Facebook) omaly,

nampiasany voambolana mamoafady tamina fiteny feno famingavingana, nanononany ny anarako sy ny anaran’ny ramatoa Voalohany, izay feno lainga sy faniratsirana, dia maneho etoana ny fahatezerako sy ny fanamelohana izany toetra tsy mendrika izany ny tenako, hoy ny filohan’ny antoko politika Monima, Monja Roindefo. Na inona na inona tsy fifankahazoana sy tsy fitovian-kevitro amin’izy mivady dia lavitra ny toetrako ny fivoizana lainga sy fanalam-baraka toy ireny, hoy izy. Hiantso ireo Raiamandreny iombonana voakasika amin’izany ny tenako hanatanteraka ny fomban-drazana ho famafana izany manoloana ny fanasoketana, hoy hatrany ity praiminisitra teo aloha ity. Azo lazaina ho niteraka resabe, indrindra, teo amin’ireo zanaky ny faritra atsimon’ny nosy moa ity horonantsary ity tamin’iny omaly iny ary isan’ny tazana ho niantso fanelanelanana manoloana ny disadisa eo amin’ny samy zanak’iny faritra iny ihany koa ny depiote voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly.

Nisy moa ny fialan-tsiny nataon’i Andry Biahary omaly, nilaza fa diso izy ka miala tsiny amin’ity Praiminisitra teo aloha. Naneho fa manaja ity farany, fa Idior Monja no tiany horesahana saingy lasa Monja Roindefo.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT