Actualités

Horonan-tsary vetaveta amin’ny ankizy 10 Euros no hamarotan’izy roa vavy video iray


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Tovovavy roa 25 taona sy 21 taona mpirahavavy iraitampo no tra-tehaky ny polisy misahana ny cybercriminalite rehefa nanodina fanodinana horonan-tsary mamoafady miaraka amin'ny zaza ao an-trano izay zanaky ny iray

amin’izy ireo ihany ary mivarotra izany amin'ny vazaha. Raha tsiahivina kely dia nahazo vahana tato anatin'ny volana vitsivitsy izao ny fandefasana sary mamoafady any ivelany izay ahitana horonan-tsary mamoafady handraisan'ny ankizy kely manomboka 5 taona ka hatramin'ny 14 taona anjara hitadiavan'izy ireo vola ka voakasika avokoa na lahy na vavy. Manoloana izany dia nisy ireo fitarainana voarain'ny avy eo anivon'ny sampandraharaha misahana ny cybercriminalité mahakasika ny fiparitahana sary sy "vidéo" anaty tambazotran-tserasera. Nisy araka izany ny fanadihadiana natao ka fantatra tamin'izany fa isany tompon'antoka amin'ny fanaparitahana horonan-tsary mamoafady ireto mpirahavavy ireto. Tamin’ny farany herinandro teo moa no tratran'ny polisy tetsy Anosy ireto farany ka nentina nihazo ny birao avy hatrany. Taorian'ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa efa fanaony ny manodina horonan-tsary mamoafady tahaka izao ary ny ankizy ao an-trano ihany no hirahin’izy ireo manao izany izay tsy ampy taona avokoa. Fantatra ihany koa fa misy mividy ny horonan-tsary izay hataon'ireo tovovavy ireto ka amidy 10€ isaky ny horonan-tsary iray ny vidiny. Niaiky ny asa ratsiny izy mirahavavy ireto ary nanaporofo izany ireo "vidéo" hita tao anatin'ny findainy. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende: Ireto izy mirahavavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT