Actualités

Horohorontany tany Itasy Mandeha ny fanadihadiana ny IOGA


  • Zoma 12 Mey 2023

Nanamarina ny avy ao amin’ny Institut et observatoire de géophysique d’Antananarivo (IOGA) fa tena nisy horohorontany tokoa ny alarobia alina sy ny alakamisy maraina.

Re tany amin’ny faritra Itasy sy teto Antananarivo izy io, voatondro fa tao Ambatomenarana Itasy no re nihovitra voalohany ny tany , ny alarobia tokony ho tamin’ny 2 ora sy fahefany teo.Mbola nisy horohorontany 3 hafa ihany koa tao Ankoririka tamin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 8 ora alina io alarobia io ihany. Mbola nihetsika ihany koa ny tany ny alakamisy tamin’ny 1 ora sy 16 minitra maraina. 3,2 sy 3,8 tamin’ny maridrefin’i Richter no tanjak’ireo horohorontany ireo araka ny fanazavan’ny IOGA ; tsy dia hoe zava-baovao na zava-mahagaga izy ity , hoy hatrany ny fanazavan’ny teknisianina fa rehefa mahatratra 4 ny maridrefy no manomboka re tsara amin’izay hoe mihetsika ny tany. Tsara ho marihina fa tany Volkanika ny any Itasy, ary efa eo am-pandinihina ny mety ho anton’izao horohorontany izao araka ny antontan-kevitra sy ny refy isan-karazany eo am-pelatanany ny IOGA.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT