Actualités

Horace Gatien Manala baraka ny «cadres» avy any SAVA


  • Alarobia 16 Desambra 2015

Niakatr’afo ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina omaly tamin’ny nafitsoky ny Jirama.

 

Tapaka nandritra ny ora maro ny jiro, ny kartie sasany aza nanontolo andro mihitsy ny fahatapahan-jiro, nefa efa tapaka ny alatsinainy alina. Ireo mpiasa ambony na «cadres» avy any amin’ny faritra SAVA, fiavian’ny minisitry ny angovo Horace Gatien aza moa lasa lavitra ny fanakianana, raha ny hita teny amin’ny tambajotran-tserasera sosialy facebook. «Rehefa tsy mahavita rangahy dia miala fa aza manadala Vahoaka. Na inona na inona lazaina dia tsy fahaizana no dikan'izany», hoy ny fanehoan-kevitra. « Mametraha fialana fa sady manala baraka ny fitondrana no mbola manala baraka ny cadre avy any SAVA », hoy izy ireo nanohy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

Hijery ny tohiny
FTT