HOPITALY HJRA, AKON’NY FETY

4 maty, 6 toran’ny toaka, 34 tratry ny lozam-pifamoivoizana


  • Zoma 27 Desambra 2024

Nitombobe ireo olona tonga nanatona sy nila vonjy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha nandritra

ny fankalazana ny fetin’ny Noely afak’omaly Alarobia 25 Desambra raha oharina tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny sampana vonjy aina mantsy dia nahatratra 215 isa ireo olona nandalo fizahana tao an-toerana raha niisa 112 izany tamin’ny taona 2023. Ny 21 tamin’ireo no voatery naiditra hopitaly ka ny 2 namoy ny ainy, raha efa maty tany ivelan’ny hopitaly kosa ny roa ambiny. Nahatratra 51 isa ny loza vokatry ny nataon’ny tsirairay raha 33 isa tamin’ny taon-dasa. Miisa 34 kosa lozam-pifamoivoizana teny an-dalambe raha 27 tamin’ny taon-dasa ankoatra ny loza nitranga tao an-tokantrano izay nahatratra 17 isa be izao. Ho an’ny teo anivon’ny sampana vonjy taitra indraydia nahatratra 22 ireo tsy salama natao fizahana raha 18 isa izany tamin’ny taon-dasa. Ny 12 tamin’ireo no naiditra hopitaly raha 2 tamin’ny taona 2023 ka anisan’izany ireo lehilahy miisa 6 toran’ny toaka vokatry ny fisotroana diso tafahoatra. Lehilahy sy vehivavy roa kosa no tratran’ny fivalalana mahery vaika raha lehilahy iray sy vehivavy iray no lasibatry ny fanapoizinana ara-tsakafo. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity hopitaly ity moa fa tokony hitandrina ny tsirairay amin’ny sakafo hanina na amin’ny resaka fahadiovana izany na amin’ireo ahiana hivadika mety ho lasa poizina. Mbola tena ao anatin’ny fety tanteraka mantsy isika izao raha ny nambarany. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fisotroan-toaka sy ny familiana izay tsy tokony hiaraka velively.
Pati
Legende : Nitombo ireo olona tsy salama sy tra-doza nanatona ny hopitalim-panjakana HJRA tamin’ny fetin’ny Noely teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT