Nipaika ny sasakalin’ny 25 desambra dia nigadona teto an-tany tao amin’ny hopitaly Befelatanana Randriamisaina Hasambarana Niriko.
Zaza valo no teraka tao omaly teo anelanelan’ny tamin’ny 1 ora sy 55 minitra ka hatramin’ny 8 ora maraina. Randrianandrasana Mihotisoa Samirah Diamondra no nialoha lalana azy rehetra ny 24 desambra tamin’ny 11 ora sy 45 minitra. Vavikely izy io ary nilanja 3 kilao teo am-pahatongavany. Salama tsara moa ny zaza sy ny reniny raha ny fantatra saingy tsy nahandry ny sasakalina kosa izy mianaka fa efa dodon’ny hihaona.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.