Actualités

Hopitaly Be Toamasina : Tsy misy solika ny gropy, mitokona ny mpitsabo


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Efa roa herinandro no nahatsapa ny tsy fahampianny solika mampihodina ny gropy fiandry teo anivonny Hopitalibe na CHU Toamasina ny tomponandraikitry ny fahasalamana tao aminy.

 

Telo andro anefa izao dia maina tanteraka izany solika izany, ka mikatso tsy mandeha ny “gropy” fiandry ao. Ireo tsara sitrapo no andrasana hamelona azy indray aloha amin’izao fotoana izao.
Tsy misy vola
Tsy niandry fotsiny anefa ny teo anivon’ny Hopitaliben’i Toamasina fa efa nitaraina teo anivon’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina sy ny Talem-paritry ny fahasalamana ao Toamasina, ny Dr Zorah Bayant, saingy tsy mbola voavaly ny olana hatramin’izao. Ny teo anivon’ny Primatiora lefitra misahana ny fahasalamana ihany koa dia tsy hita ny tetibolan’ny Hopitaliben’i Toamasina hatramin’izao, izay manodidina ny 140 tapitrisa ariary isan-taona. Raha ny fantatra dia tetibola tamin’ny naha CHR azy ireo izany, nefa izay hatrany no nohazonina hatramin’izao. Ao anatin’io tetibola io avokoa anefa ny fandaniana rehetra ataon’ny hopitaly, ka anisan’izany ny solika ampiasaina amin’ny fiara sy ny « gropy » fiandry amin’ny herinaratra. 40 litatra isan’ora ny solika lanin’ity « gropy » ity amin’ny fihodinany. Ilaina anefa izy io satria na eo aza ny toky ataon’ny Jirama, dia tapatapaka lava ny herinaratra ao Toamasina izay tsy mifidy ora, nefa ny fitsaboana sy ny fandidiana ary ny fampiterahana ao amin’ny hopitaly tsy afaka hiandry izany olan’ny Jirama izany mihitsy.
Fitokonana
Nambaran’ny mpitsabo sy ny mpandidy eo anivon’ny CHU Toamasina, fa vitan’izy ireo avokoa ny fitsaboana rehetra, afa-tsy ny fandidiana mahakasika ny hozatra na retsika sy ny fo. Raha ny resaka fitokonana ataon’ny mpitsabo kosa, dia miranty ao amin’ny Hopitaliben’i Toamasina ny sora-baventy milaza izany ary ny fomba fiasa “week-end prolongé” no atao amin’ny asa fitsaboana, izany hoe “toy ny fomba fiasa mandritra ny faran’ny herinandro ny fandaminana ny asa, fa tsy tahaka ny ora fisokafana andavanandro teo aloha intsony”. Ny fantatra dia telo andro ao anatin’ny herinandro dia tena fiandrasan-draharaha sisa no ataon’ireo mpitsabo ireo.
 
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT