Ny Instat mihitsy no tena manao atsirambina adidy ankinina aminy ka tsy mahatanteraka izany, hoy ny depioten’i Vohipeno,
Honoré Tsabotokay, naneho ny heviny mikasika ny fanisam-bahoaka teto amin’ny firenena. Hany ka manimba ny antontanisa ho ampiasaina eto amintsika. Isan’ny lesoka nambarany ny tsy fahampian’ny fiomanana sy tsy fijerena ny zava- misy isam-paritra mba tsy hilazako hoe isaky distrika, hoy izy. Ny « agent recenseur » tsy olona avy ao amin’ny faritra ka tsy mifankazo resaka sady tsy atokisan'olona. Tsy ampy fanentanana ary lany vola amin’ny peta-drindrina nefa vahoaka firy no mahay mamaky teny sy manoratra, hoy ny fanontaniany? Ny vahaolana dia mba olona any ifotony jerena, hoy izy. Diplaoma mitovy nefa olona ivelany no antsoina. Misy faritra azo ovana fomba fanisana satria mbola misy distrika mbola mipetraka rafitra ara- bakodrazana . Moramora kokoa raha miara- miasa amin’ireny. Tahaka izany koa ny fanentanana mialoha, mandritra ary aoriana. Tsara raha havaozina ny sampan-draharaha misahana ny antontan’isa na INSTAT, hoy izy, satria raha diso hatrany Io antontan’isantsika na « base de données » io dia ho eo hatrany isika amin’ny fampandrosoana. Raha manodidina ny 170.000 ny isan’ny mponin’i Vohipeno ny taona 1999, ohatra, dia izao 2020 izao mbola manodidina ny 195.000 ihany satria mijanona eto vohipeno ny mpanao fanisana fa tsy midina ifotony satria matahotra handeha tongotra, ny resaka fandriampahalemana, na hakamoana tsotr'izao sy ny maro hafa, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.