Hanao dingan-dava ny orinasa mpamokatra simenitra Holcim ao Ibity. Hanorina orinasa vaovao maoderina kokoa hanampy ny efa misy ao an-toerana efa 30 taona lasa izao ny orinasa
. Tetikasa efa noketrehina tamin’ny 2012 izy ity ary heverina hahita masoandro amin’ny tapatapaky ny taona 2018, izay hampiasa herinaratra hatrany amin’ny 9 MW raha ny ampahatelon’io no miasa ankehitriny. Vola manodidina ny 100 tapitrisa euros no hatonton’ny Holcim amin’io. Rehefa vita izay dia heverina fa hitombo avo telo heny miohatra ny vokatra ankehitriny ny simenitra hiala ao Ibity, ka ho 1,5 tapitrisa taonina eo izany. Mitobaka eto amin’ny tsena anatiny ny vokatry ny Holcim hatramin’izao. Mbola malalaka rahateo ny tsena, satria raha ny tarehimarika dia simenitra 22kg isan’olona isan-taona eo no fanjifana eto Madagasikara, izany hoe, raha 100-150kg isan’olona isan-taona ny salanisa aty Atsimon’i Sahara. Mitana ny 65% ny tsena anatiny ny simenitra vokarin’ny Holcim Madagascar. Miankina amin’ny sandan’ny dolara ny vidiny, noho ireo akora sasany mbola hafarana avy any ivelany toy ny arina, “gypse” … Olana sedrainy ny fifaninana tsy ara-dalàna. Mampiasa olona 240 ny Holcim amin’izao, ka 2 amin’ireo ihany no vazaha dia ny tale jeneraly sy ny talen’ny orinasa famokarana ao Ibity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.