Actualités

Holafitry ny mpanao gazety “Mbola mamahan-dalitra ihany ny Ministera”


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Eo anatrehan’ny fanamelohana sy tsy fanekena ny fitànana am-ponja vonjimaika ny mpanao gazety Rahelisoa Arphine dia manamarika ny Biraon’ny Filan-kevitry Holafitry ny mpanao gazety na OJM araka ny fanambarana omaly hariva fa :

 

Kobokoboin'ny marina ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina (MCC) ka nilaza tsy nanontaniana ». Tsy nisy nilaza mihitsy fa izy ireo no nitory an'i Arphine Rahelisoa kanefa dia efa in-telo izay ny MCC no nivoaka tamin’ny fahanginana ary niezaka nanadio tena hatrany, amin’ny famadibadihan-dresaka, hamiliviliana ny marina sy hilalaovana ny raharaham-pitsarana, hoy ny OJM. Nanamafy fa mpanao gazety i Arphine satria izay sata maha-mpanao gazety azy izay no nanaovana fanadihadiana azy, na teo anatrehan’ny polisy mpanao famotorana na teo anoloan’ny Fampanoavana. Navadiky ny MCC indray izany ary nolazainy fa tsy misy hidirany amin’izay maha-mpanao gazety azy ny heloka hanenjehana azy. Vaovao nivoaka tamin'ny site web an’ny Ny Valosoa Vaovao anefa no hanenjehana azy satria izy no Talen’ny Famoahana. Teren'ny MCC indray ho « post » natao tao amin’ny « pejy Facebook » no antony, hoy hatrany ny OJM. Manaratsy ny fijerin'izao tontolo izao ny fitondrana manontolo ireny nataon'ny Ministeran ireny izay manameloka ireo fikambanana iraisam-pirenena nolazaina ho tsy nanamarim-baovao, ary mila mandinika tsara ny filoham-pirenena momba ity Ministera iray ity, hoy hatrany ny fanambarana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT