Hetsika tsotra tsy natao hamoriam-bahoaka no ho tontosain’ny holafitry ny mpanao gazety manoloana ny tsangambaton’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety
etsy Analakely rahampitso 3 mey 2020 ho fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny falalahan’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Gerard Rakotonirina. Manomboka amin’ny 9 ora maraina io ary aorian’izay kosa dia hitohy amin’ny miara-mampita miainga eny amin’ny televizionina rahavavy TV Plus ny fankalazana manomboka amin’ny 11 ora atoandro eo. Asaina ny haino aman-jery rehetra, hoy hatrany ny filohan’ny OJM mba handray anjara ao anatin’izany. Lohahevitra napetraky ny Unesco ho voizina ao anatin’izao fankalazana izao moa ny hoe ‘’Fanaovan-gazety tsy misy tahotra sy tsy miray tsikombakomba’’. Aiza ho aiza I Madagasikara ao anatin’izany? Inona no teboka miabo ary inona no mandringa na lesoka? Nahatsiaro isika, hoy ny filohan’ny OJM, fa nalalaka sy nanjakazaka tamin’ny fanehoan-kevitra ny minisitry ny serasera ankehitriny raha nitarika ny hetsika ho amin’ny fahalalahana hiteny na MLE tamin’ny fotoan’androny. Inona kosa anefa no ataony ankehitriny, hoy hatrany ity filoha ity?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.