Telo na efatra isan-taona ny fitarainana voarain’ny Holafitry ny mpanao gazety na ny OJM
mikasika ireo tranga mahazo ny mpanao gazety manerana ny Nosy raha araka ny fanazavan’ny filohany Rasoloarison Monica, omaly. Misy amin’ireo no vehivavy izay hiharan’ny herisetra hataon’ny mpampiasa azy, ny mpanao politika na koa ireo mpanome loharanom-baovao. Niezaka hatrany ny OJM nanoloana izany raha ny fanazavany nanampy sy nandray an-tanana ireo mpanao gazety ireo saingy ankehitriny dia mbola hitombo sy hihatsara kokoa izany. Tafatsangana omaly mantsy ny Cellule de protection des journalistes hiarahana amin’ny ONG Ilontsera ao anatin’ilay tetikasa Manehoa. Ankoatra ny fanomezana toro-hevitra ny mpanao gazety amin’ny asa sahaniny dia manana mpisolo vava miara-miasa aminy ihany koa ity cellule ity hotronin’ny manam-pahaizana manokana ara-tsaina. Raha vao misy mpanao gazety voaantso eny anivon’ny mpitandro ny filaminana araka izany noho ny asa nataony dia efa manotrona izy ireo manomboka amin’ny fanadihadiana am-bava raha tsy latsa-danja amin’izany ny fikarakarana ny taratasy rehetra ilaina eny anivon’ny Fitsarana. Tanjon’ny Cellule ny hanampiana sy hanohanana ny mpanao gazety amin’ny asa masina sahaniny isan’andro, indrindra ny fanomezana vaovao mari-pototra ny mpiara-belona. Toraka izany koa ny fiarovana azy ireo mba hahafahany maneho araka ny tokony ho izy. Tsiahivina moa fa ny Vovonana Ilontsera dia fikambanana iray hivondronna’ireo mpanao gazety matihanina eto amintsika .isehatra amin’ny haino vaky jery maro samihafa.
Pati
Legende : Tsy mora ny asan’ny mpanao gazety, mila tohana hatrany izy ireny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.