Vahao haingana ny delestazy,
aoka hiaro vahoaka ny mpitandro filaminana »
Namoaka serasera maneho fa manohana ny fitadiavana vahaolana haingana amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra sy ny rano madio isan-tokantrano, izay antoky ny fahasalamam-bahoaka ny Holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara na ny ONP. Naneho fa mila izany isan'andro ny Farmasiana amin'ny asany. Mangataka izy ireo mba ho atao laharam-pahamehana ny fitadiavana vahaolona anaty fotoana fohy. Ankilany, mangataka ny vahoaka izy ireo hanao fitakiana am-pilaminana. Manentana ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny ONP mba hanaja hatrany ny anjara andraikitr’izy ireo voalohany indrindra dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Endrika maneho itony, fa maniry sy mitaky vahaolana haingana sy mahomby ny sehatra maro, ary tsy filam-boatsiary na finiavana hanakorontana fa tena mamary ny seha-pihariana mila herindratra. Tena stratejika ara-toekarena ny tontolon’ny angovo, ny rano,… kanefa isan’ny tena ijalian’i Madagasikara am-polo taonany maro, tsy misy vahaolana mahomby.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.