Hoavin’ny firenena Malagasy

Tsy hay faritana mihitsy hatreto!


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Tsy hay faritana mihitsy hatreto ny hoavin’ny firenena malagasy, raha ny

fanehoan-kevitr’ireo mpisehatra politika, mpandinika, mpamakafaka samihafa! Nanomboka tamin’ny fahaverezan’asan’olona an’aliny vokatry ny alatsinainy mainty ny 26 janoary 2009 no ho nankaty izay nampian’ny krizy tao anatin’ny 5 taona noho ny tetezamita hatramin’ny taona 2013, novesarin’ny krizy ara-pahasalamana 2020 indray avy eo, dia tena miha manalavitra hatrany ny antsoina hoe asa mendrika sy karama maha velona ankehitriny ny mpiasa malagasy, hoy ireo sendikan’ny mpiasa. Vao ny talata teo izao ireo mpandraharahan’ny fonja no velon-taraina fa marary anaty fameloman’aina ny asan’izy ireo. Manoloana ny zava-misy, miha mangiana ireo mpanao politika. Nisy mihitsy aza ireo nilaza tamin’ny fomba ofisialy fa nisintaka amin’ilay tontolo. Tsy mety tafavoaka ny fanoherana ary miha vakian’ny mpanara-baovao fotsiny ny karazana fifanarahana na «deal» sy bizina politika ataon’ireo milaza azy ho mpanohitra sasany. Milaza ho miharitra ny zava-misy ihany koa ireo mpandraharaha. Malalaka, hoy ny fanazavàn’ny mpandraharaha, Joseph Martin na Dadafara, rehefa vahiny no manafatra entana avy any ivelany fa maninona izahay mpandraharaha malagasy no ferana tsy hampiasa mihoatran’ny 10.000 Dolara rehefa hanafatra entana?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT