Actualités

Ho tara ny fivoahan’ny voka-panadinana BEPC Mitokona ireo mpampianatra mpitsara…


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Mitokona ireo mpampianatra mpitsara ny fanadinana BEPC ao Toamasina, noho ny tsy mbola fahazoan’izy ireo ny “vacation 2013”. Manampy trotraka izany ny fakan’ny fanjakana hetra 10% aminy izay efa tsy nisy tao anatin’ny 2 taona.

Nisy ny fihaonana teo amin’ny talen’ny fampianarana atsinanana sy ireo mpitsara fanadinana BEPC ireto omaly maraina, tao amin’ny “CEG de Reference” Ambodimanga, nifanazavana ny olana sy ny fitadiavana ny vahaolana tsy hisian’ny fiantraikany amin’ny fivoahan’ny valim-panadinana. Nilaza Atoa Lema Etienne talen’ny fampianarana atsinanana, fa “tsy miankina amin’izy ireo ny zava-misy fa eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Efa vita ny antontan-taratasy rehetra fa nolavin’ny tahirim-bolam-panjakana Antananarivo, noho ny tsy fanalana ilay hetra 10%. Efa mandray ny fepetra rehetra momba izany izahay izao”. Ho an’Atoa Rotsaka Raymond misolotena ireo mpampianatra namany, dia nambarany fa “misy tsy mazava ny raharaha satria ny minisitra mihitsy no efa nilaza fa efa nivoaka any ny volanay io. Tsy vola amin’izao taom-pianarana izao koa ilay izy fa efa taom-pianarana lasa izay efa feno herintaona, koa mila fanazavana matotra izahay”. Vokatra ny olana tsy nisy valiny dia milaza ny tsy hanomboka fitsarana fanadinana ireto mpampianatra raha tsy ny alatsinainy izao raha tsy mahazo valiny mahafa-po mandritra ny fivoriana atao anio. Ankoatra izay, dia fantatra fa 30.000 Ar isan’andro izay tsy mihoatra ny 4 andro ity tambin-karama tsy azo herintaona ity. Hisy solontenan’ny sendikan’ny mpampianatra sy solontenan’ny minisitera ho avy ao Toamasina anio, hanazava ny olana sy hanolotra vahaolana amin’ireto mpampianatra mpitsara fanadinana BEPC ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT