Actualités

Ho tapitra ihany koa ny oktobra Ahoana ny fidinan’ny vidin-tsolika ?


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Dimy volana lasa izay ny 28 mey nilazan’ny Praiminisitra, fa hatramin’ny volana septambra na oktobra eo no hahafaha-manefa ny 170 miliara ariary, trosan’ny orinasa mpaninjara solika amin’ny Fanjakana.

Tsy azo atao izany amin’izao fotoana izao, na midina be aza ny vidiny iraisam-pirenena noho io trosa mbola ananan’ny mpandraharaha amintsika io, hoy ny Praiminisitra. Amin’izany vao antenaina fa mety hidina ny vidin-solika, hoy ny fanazavana tamin’izany. Tapitra ny septambra, ho dila ihany koa ny oktobra ka voaloha ve ny trosa ? Aiza ihany izay mba fiantraikany amin’ny Malagasy ? Mazava ny fialana bala amin’ny resaka fitotonganan’ny sandan’ny ariary, ny tsy fahafahana manao tahiry izay 45 andro farafahabetsany,… Tsy misy hadisoan’ny vahoaka izany, fa ny tsy fahaiza-mitondran’ny Fanjakana ankehitriny ka vokatra miantraika aminy no andrasan’ny olona, fa tsy ala bala sesilany. Tsy ny vahoaka Malagasy velively no nanao fitantanana tsy mahomby amin’ity kizarazara ho ana ampahan’olona ho an’ny tombotsoa politika ity, ka zary lany amin’izany ny vola vahiny. Tsy hadisoan’ny vahoaka no mampitotongana ny harin-karena ho miiba -1,2%. Ny firenen-drehetra, saika nisitraka ny fidinan’ny vidin-tsolika ny ankamaroany ka nahona no isika lazaina ho sangany no miraviravy tànana eto fotsiny ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT