Ho betsaka ny rotsak’orana

Hisy ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha


  • Talata 14 Janoary 2025

Tombanana ho betsaka ny rotsak’orana, izany hoe hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm

ao anatin’ny 24 ora (TTF : hatramin’ny omaly), amina toerana sasany eto amin’ny nosy ato anatin’ny 3 andro ho avy, raha ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Raha ho an’ny omaly alatsinainy 13 janoary 2025 dia i Alaotra Mangoro, Analamanga, Itasy, Vakinakaratra, Amoron’i Mania, Menabe ary ny morontsirak’i Boeny sy ny distrikan’i Besalampy no voalaza fa nahazo ny anjarany. Ity farany izay tombanana hiitatra hatramin’ny anio talata. Ho an’ny anio talata 14 janoary 2025 kosa dia Ihorombe, raha toa ka hahakasika An’Atsimo atsinanana izany ny alarobia 16 janoary 2025. Vokatr’izany dia hisy ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavan’andro, fiandronan’ny rano amin'ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo. Mbola mipetraka, noho izany, ny fampitandremana miloko mena ho an’Alaotra Mangoro, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Menabe ary ny morontsirak’i Boeny sy ny distrikan’i Besalampy. Fampitandremana miloko mavo ho an’Ihorombe sy Atsimo Atsinanana. Entanina, noho izany, ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT