Actualités

Ho avy ny rivo-doza Freddy Misy afindra toerana ireo mipetraka amin’ny faritra avo


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Tapitra mihorohoro avokoa ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina manoloana ny fidiran’ilay rivo-doza Freddy eto amintsika rahampitso Talata.

Tsy vitsy ireo efa miomana sahady noho izany manokatra ny tata-drano, manamboatra ny tafontrano ahiana hoentin’ny rivotra, mampirina ireo karazana antontan-taratasy sarobidy…. Ho an’ny mponina eto Antananarivo renivohitra manokana dia efa mandeha ny fanentanana ny mponina nanomboka ny zoma teo. Anisan’ireny ny fanamafisana ny tafo, ny varavarana sy ny varavaran-kely idiran'ny rivotra amin'ny trano. Eo ihany koa ny fiarovana amin’ny plastika ny entana sy ny taratasy manan-danja rehetra. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanangonana vary na ny voankazo sy ny vokatra hafa manoloana ny mety hisian’ny oram-be sy ny rivotra mifofofofo. Ho an’ireo mponina any amin’ny faritra misy saina mena, izay atahorana hihotsaka eny amin’ny havoana toy ny eny Ankadilalana….dia tsy maintsy mandao vonjimaika ny trano fonenany izy ireny ary manatona ny ELS-n’ny fokontany amin’ny fandaminana tokony harahina rehetra hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Tsy maintsy miala ireo mponina ety amin’ny faritra misy saina mena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT