HO AN’NY TANINDRAZANA

Tantara an-tsary arahanao


  • Talata 12 Mey 2026

isan'andro eto amin'ny Tia Tanindrazana

Ao anatin'ny fanatsarana hatrany isika no sady miresaka fiainam-pirenena sy tantaram-pirenena ary ny zava-nisy sy tantara politika maneran-tany mihitsy . Noho izany antony izany indrindra no hisian'ny tantara an-tsary vaivao indray eto amin'ny gazety . Hiresahana ireo mahery fo, mpanao politika, mpitari-tolona, olona manana ny maha izy azy, olona nanamarika ny vanim-potoana niainana teto an-toerana na tany amina firenen-kafa tany ivelany.. Hisantarana izany ny tantaran’ny Kolonely RICHARD RATSIMANDRAVA manomboka ny alatsinainy 18 mey 2026 ho avy izao. Nanao ahoana ny fahazazany, ny fianararany, izy lasa manamboninahitra. Ratsimandrava ilay olom-panjakana sady raim-pianakaviana feno. Nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena, nantenain'ny Malagasy hanafaka azy saingy indrisy fa nosomparan'ireo tsy mataho-tody . Tsy mipetraka ho tantara fotsiny fa haingam-panahy ho an'ny maro izany kolonely Ratsimandrava izany. An-tsary itatra no hiresahantsika azy indray eto amin'ny gazety Tia Tanindrazana manomboka ny alatsinainy 18 mey ho avy izao ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma. Hisy fizarana 25 ny tantara.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT