praiminisitra raha nihaona tamin’ireo tompon’orinasan-tserasera sy mpanao gazety vitsivitsy teny Mahazoarivo izy omaly. Nambarany ihany koa fa afaka mamoaka ny vaovao rehetra izay marim-pototra sy voaporofo ny mpanao gazety.
Manodidina ny 7% ny fisondrotan’ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’ity taona ity. 3% kosa ny fitomboan’ny harinkarena. Mahatratra 258,2 miliara ariary kosa ny fanohanana ny tetibolam-panjakana avy any amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, araka ny ambaran’ny volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibola 2014.
Handray mpampianatra FRAM 10 000 ho mpiasa raikitra ny fitondram-panjakana, ary efa misy ny tetibola natokana ho amin’izany.
219 amin’izao fotoana no isan’ny antoko politika misoratra ara-dalàna eny amin’ny ministeran’ny atitany. Ny 38 amin’ireo dia vao niforona nanomboka tamin’ny 2012. Hatreto dia 38 no nitonona ho antoko mpanohitra.
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Rabehajaina Andrianjakanirina na i Njaka, 42 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Commissariat de Police Alasora ny talata lasa teo, tao an-tranony teny Alasora tokony ho tamin’ny 9 ora maraina fa nanolana ny zanany vavimatoa. Marihana fa efa nigadra teny Antanimora ity raim-pianakaviana ity tamin’ny taona 2008.
Nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana fa milamina ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena. Efa mipetrapetraka ny paika’ady. Hasiana ny fiambenana ny ala mba hialana amin’ny fanapahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.