Actualités

Hiverina ny 2009 600 lahy hanakorontana an’Antananarivo


  • Zoma 08 Aogositra 2014

Vatan-dehilahy 600 avy any amin’ny faritra no fantatra araka ny fanambaran’ny mpitandro ny filaminana omaly fa kasaina ampiakarina eto Antananrivo renivohitramba hanakorontana ; efa nisy andiana tanora 60 lahy niraka tamina antsy be kalaza tratra teny amin’ny fiantsoanan’ny taksibory eny amin’nyfansan’ny karana ny alatsinainy lasa.Rehefa nadihadiana izy ireo dia nilaza fa avy any antsirabe, nisy naniraka, ary mbola manana namana hafa ho avy eto

Nilaza ny avy ao amin’ny Emmo Far tarihan’ny kolonely Florens Rakotomahanina fa tena misy ny olona miketrika fanakorontanana eto amintsika amin’izao fotoana.Mpanao politika sy solombavambahoaka teo aloha no nikasa hanapoaka ny fitaovan’ny Jirama teo Antananarivo renivohitra, mpanao politka sy tompon’andraikitra ambony tao amin’ny fitondrana tetezamita no ao ambadiky ny fanakorontanana any Mahajanga, ary kandida ho filohampirenena fanta-daza avy any Toliara ihany koa no miketrika asa fanakorontana.Tena hentitra ny fisafoana sy fisavana eto Antananrivo sy ny manodidina manomboka izao , hoy ny mpitandro filaminana ary hamafisina ny fiaraha-miasan’ny polisy sy zandary amin’ny eny amin’ny fokontany.Tsy honohono tahaka ilay resaka 5000 arivo lahy mpanakorontana navoakana trakta sy niparitaka tamin’ny aterineto ity resaka ity, fa zavatra tena mitombina raha ny filazan’ny Emmo Far omaly, midika ve izany fa miverina indray ny asa fanakorontanana ary efa miendrika asa fampiorohoroana mihitsy aza.Mampahatsiaro ny zava-nisy tamin’ny 2009 izao tranga izao satria , tamin’ireny fotoana ireny dia nisy ihany koa ny fanafarana andian-jatovo lahy aman-jatony avy any atsimo, andrefana , atsimo atsinanana ary atsinanana ba hanakorontana teto Antananarivo renivohitra ny 26 janoary sy 7 febroary 2009.Efa fantatra daholo ny olona niandraikitra izany saingy toa vao miha aza nahazo toerana sy seza indray izy ireo ; miverina indray izany izao ny tantara dia ho hita eo ny ho fihetsiky ny mpitandro ny filaminana, satria efa mazava be fa mahafantatra ny olona ao ambadiky ny ambarany fa miketrika asa fanakorontanana ny Emmo Far ka inona no andrasana fa sambory ireo atidoha mikotrika dia aleo atolotra ny fitsarana mba ho fanta-bahoaka e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT