Hisy 200 000 000Ar isan’andro ho an’ny Jirama ve ?

Halentika sy hamatrarana ny rihitra ny Tale Jeneraly…


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Taorian’ny serasera nipoapoaka fa tsy mbola misy vokatra azo tsapain-tànana tao amin’ny TVM

ny alatsinainy teo, nanao serasera sy horonan-tsary indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa nampiantso fivoriana iarahana amin’ny Minisitra roa tonta voakasiky ny olan’ny jiro sy rano miampy ny Tale Jeneralin’ny Jirama Ron Weiss. « Mandalo haintany isika, tsy misy orana, tsy misy rano, mampihena ny famokarana. Ny zavatra nampanantenaina dia tsy maintsy mitady vahaolana maika. Hisy ny fivoriana isan-kerinandro hijerena sy hitondrana ary hanarahana ireo vahaolana. Rehefa misy ny olana dia tsy maintsy mitondra vahaolana ny mpitondra Malagasy mba hamahana ny olana sedrain’ny mponina andavanandro », hoy i Andry Rajoelina. Endrika maneho hatrany, fa mbola tsy tena misy asa sy vokatra azo tsapain-tànana dia ny fanaovana serasera no hihazakazahana hoe : io ary izahay fa miasa. Maninona no tsy efa misy vokatra sy zava-bita ary vahaolana tsapan’ny vahoaka vao miteny sy be resaka ? Efa betsaka izay kabary natao izay, eny fa hatramin’ny vava be toy ny tamin’ny 2018 tetsy Mahamasina aza hoe : tsy misy intsony ve ny delestazy ? Manana asa ve ny vahoaka ? Mandry fahalemana ve ny tany ? Mbola ilaina tsiahivina ve ny tamin’ny 2012 nilazana fa hamokatra angovo avy amin’ny rivotra na « éolienne » ho vita hatramin’ny faran’io taona io ? Ny 400MW anatin’ny 5 taona nambara tamin’ny 2018 ? Ny 500MW anatin’ny 5 taona nambaran’ny Praiminisitra tany amin’ny Fivoriamben’ny ONU ? Ny 1000MW anatin’ny 5 taona nolazain’I Andry Rajoelina tao amin’ny TVM afak’omaly ?
HAFATRATRA AMIN’NY TALE JENERALY NY RIHITRA
Nanamafy ny minisitry angovo, fa akarina aloha ny famokarana amin’ny solika na dia lafo aza, ary fehezina ny tsy hisian’ny olana. Nambara fa vahaolana hafa ny fanafainganana ny fampiasana ny « parc solaires », fijerena ny fahafaha-mandrotsaka orana,... Momba ny fanarenana ny Jirama, efa nankatoavina ve ny drafi-panarenana ny Jirama natolotry ny mpitantana indrindra fa ny drafitra ara-bola ? Hanao ahoana ny ho fampiharan’ny fitondrana an’ilay hoe : hampiodina an’ireo « Turbines » 2 etsy Mandroseza mandany solika 40 000litatra ka handaniana 200 000 000Ar isan’andro raha miodina adin’ny efatra izay fampanatenany fa mba hifehezahana ny fahatapahana ao anatin’ny fotoana maha be mpampiasa ny herinaratra kanefa ny tsindry tsy hanontonana volabe ao amin’ny Jirama mandeha ? Matetika misy endrika fibedesana mivantana na ankolaka ny Jirama ataon’ny Filoham-pirenena. Ny Tale Jeneraly izay niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF ny fanendrena azy. Tafiditra anaty fepetran’ny PTF anefa ny fampihenana ny fandrotsahana volabe amin’ny Jirama, ny fampiharana ny vidiny tena izy na « vérité de prix »,... Ny Fanjakana hiditra amin’ny fanontonana volabe hividianana solika ka tena ampy ve ny hoenti-manana sa ny mpitantana ny Jiramla no hajoboka ? Mitombona ve ny hoe : tafiditra anatin’ny fingana sy politika avo lenta hamatrarana ny tsy fahombiazana sy hamelezana ny Tale Jeneraly Ron Weiss eo anatrehan’ny PTF ny fihetsiky ny Fanjakana ? Tena tsy misy Malagasy mahavita azy tokoa ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT