Actualités

Hira fanevan’ny COI Horedonina voalohany any Comores


  • Talata 08 Jolay 2014

Nifantoka tamin’ny fankatoavana ireo fanapahan-kevitry ny filankevitry ny Minisitra andiany faha-29-n’i Moroni ny fivorian’ireo minisitra mpanomana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indiana andiany faha-4 notanterahana teto Madagasikara......

Nankatoavin’ny fivorian’ny minisitera mpanomana ny fihaonana teto Antananarivo ny 3 jolay lasa teo koa ny lohahevitry ny fivoriana dia ny «Indianocéanie, un avenir à bâtir ensemble» izay mamaritra ny vinan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny faritra. Efa voafaritra torak’izay ihany koa ireo fandaharam-potoana hodinihana mandritra ny Fihaonana an-tampony izay hotapahan’ny filankevitry ny Minisitra ny 24 jolay 2014. Tapaka fa horedonina voalohany ny 29 jolay 2014 ho avy izao any Comores ny hira faneva ofisialin’ny COI. Voaasa ho any Moroni daholo noho izany ireo mpanakanto nandray anjara tamin’ny famoronana azy ity. Ireo firenena mpikambana manana artista nandrafitra ny hira isanisany kosa no miantoka ny fahatongavan’izy ireo any an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT