Hipoka ny fonjan’Ankazobe

Misy vehivavy 2 mitaiza kely sy ankizy latsaky ny 18 taona


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Ny fonjan’Ankazobe amin’izao raha araka ny fantatra no anisan’ny fonja maro voafonja indrindra eto amintsika.

Ahitana lehilahy marobe sy vehivavy maromaro, mbola misy mitaiza kely roa ary ankizy latsaky ny 18 taona maro ao amin’ity fonjabe iray ity. Maro vokatr’izany ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ao an-toerana, aretina izay voalaza ho hiainan’ireo voafonja rehetra manerana ny Nosy mihitsy vokatry ny tsy fahampian-tsakafo. Manodidina ny 300 grama isan’andro eo ho eo mantsy ny anjara mangahazo omena azy ireny isan’andro raha ny loharanom-baovao azo. Nisy ny fanampin-tsakafo naterin’ny Ministry ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa aminy teny an-toerana noho izany afak’omaly Sabotsy 08 Febroary, fanampiana avy amin’ny fikambanana tsy miankina iray. Ny fanjakana Malagasy kosa no nanamora ny famoahana ny entana. Nambaran’ny Ministra tompon’andraikitra nandritra izany fa tsy natao ho an’ny olona salama io fanampin-tsakafo natokana ho an’ny voafonja io fa mankarary avy hatrany. Mety hampiakatra tosi-dra sy ny tahan’ny diabeta ao anatin’ny olona iray salama mihinana azy mantsy io fanampin-tsakafo nafarana io koa mampandre ireo izay mety ho alaim-panahy sahady ny tenany. Marihina tokoa fa misy amin’ireo karazan-tsakafo natokana ho an’ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo no misy mivarotra eny amoron’arabe teo aloha teo, antony nanosika ny Ministra hilaza mialoha sahady.
Pati
Legende : Ny fonjaben’Ankazobe !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT