Actualités

Hikatso ny fitsarana Hitokona ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Nampitovy tadin-dokanga omaly ny sendikan’ny mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana ary nanao fanambarana iombonana teny Anosy fa hiroso amin’ny fitokonana faobe tsy misy fetrany manomboka amin’ny alarobia 27 septambra ho avy izao.

Tsy hisy ny fiandrasan-draharaha na “service minimum” mandritra ny fitokonana, izay midika fa hikatso tanteraka ny raharaham-pitsarana rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha mantsy no ain-dehiben’ny tontolon’ny fitsarana. Tsy nisy tanteraka ny fitakiana ho an’ireo sehatr’asa roa ireto raha araka ny fanambaran’izy ireo. Ho an’ny mpitsara, tsy mbola tanteraka ilay fahaleovantenan’ny fitsarana sy fanajana ary fanatanterahana ny didim-pitsarana, hoy i Faniry Ernaivo filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM). Etsy an-kilan’izay, manizingizina ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana tarihan’ny filohany Randriambololona Haja fa mitaky ny zon’izy ireo amin’ny fandoavana ny tambin-karamany izy ireo. Be loatra ny resaka saingy tsy misy ny asa fanatanterahana tamin’ny fifampidinihana efa natao tany aloha, hoy ireto sendika roa ireto. Takian’izy ireo ny fanomezana vahaolana azo tanterahana avy hatrany fa tsy mangatak’andro lava. Rehefa tanteraka izay vao hitsahatra ny fitokonana. Vonona amin’ny fifampiresahana hikaroham-bahaolana mahomby anefa izy ireo. Raha tsy misy ny vahaolana hita ny alatsinainy sy talata ho avy izao dia hikatso indray ny fitsarana manerana ny nosy noho ity fitokonana ity. Ny filoham-pirenena moa isaky ny anontanian’ny mpanao gazety momba ity resaka fitakiana eny amin’ny fitsarana ity dia milaza fa izay azo atao ihany no tanterahana ary samy tompon’andraikitra ny rehetra. Filazana izay toa midika fa tsy afaka hanome fahafaham-po tanteraka ny mpiraki-draharaha sy ny mpitsara amin’ny fitakian’izy ireo ny fitondrana foibe. Ireto farany koa anefa milaza fa tsy hanaiky ampiesonina intsony. Hikatso izany ny fitsarana ary dia ny vahoaka manan-draharaha eny indray no hiesona manomboka amin’ny alarobia amin’ny raharaha sy ny fikarakarana taratasy rehetra.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT