HIJIBE VOHEMAR

Karandohan’olona hita tao anaty lava-drano


  • Talata 05 Novambra 2024

Nahitana karan-dohan’olona miisa 2 tao anatin’ny lava-dranon’ireo mponina ao anatin’ny Kaominina ambanivohitr’i Hijibe, distrikan’i Vohemar.

Raha araka ny fantatra dia nisy kitapo latsaka tao anatin’ity lava-drano ity izay mamelona mponina manodidina ny 50 isa eo ho eo. Nifanome tanana ireo tanora tao an-tanana noho izany mba hanadio ilay vovo kinanjo zavatra hafa mihitsy no hitany tao. Karan-dohan’olona karazan’irony efa nilevona efa ela irony no hitan’izy ireo tao ka nitsahatra nanomboka teo ny fahafahana naka rano tao amin’ilay vovo. Hifampitadiavana vokatr’izany ny rano fisotro madio hahafahan’ireo mponina ao Hijibe mikarakara sakafo sy midio raha efa nalevina kosa ireo karan-doha ireo. Efa nisy moa ny fandraisana an-tanana ny zava-misy nataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana raha efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mikasika ny niavian’ireo karan-dohan’olona ireo marina.
Pati
Legende : Teo am-panadiovana lava-drano tahaka izao ireo tanora no nahita ilay karan-dohan’olona misa 2 !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT