Actualités

Hiary Rapanoelina Navoaka saingy...


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Niakatra Fitsarana ambony omaly zoma 8 septambra ny raharaha Hiary Rapanoelina, ilay mpanakanto nohelohin’ny Fitsarana ambaratonga

 

voalohany higadra herintaona an-tranomaizina sazy mihatra nanomboka ny 7 martsa 2017 noho ny resaka fandikan-dalàna tamin’ny fikirakirana tambajotra ara-tsosialy “facebook”. Herintaona sazy mihantona kosa no didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga ambony omaly, taorian’ny fampakarana nataon’i Hiary Rapanoelina. Nivoaka ny fonja izany ity mpanakanto ity taorian’ny fitanana am-ponja azy nandritra ny valo volana, na mbola misy arakaraka mandritra ny efa-bolana aza. Tsiahivina fa fanalam-baraka mpanakanto sy mpanao politika, ary resaka fakana an-keriny ny zanaky ny depiote Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite nandeha tao amin’ny Vondrona fesiboky antsoina hoe : “Fifosana hanatsarana ny pipoles gasy”, izay i Hiary Rapanoelina mpandridra, no nanenjehana azy. Nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika izy nanomboka ny 31 janoary 2017. Samy nanao fanambarana nilaza ny fanatsoahana ny fitoriana avokoa ireo mpitory taty aoriana rehefa nanao fifonana ity mpanakanto ity sy ny fianakaviany. Niakatra fitsarana ny tenany ny 28 febroary, saingy nihemotra izany. Niverina teny amin’ny fitsarana ny raharaha ny 7 martsa, ary niara-notsaraina taminy ny vadiny, izay nosokajiana ho mpiray tsikombakomba. Nahazo fahafahana vonjimaika ity farany, fa nohelohina herintaona sazy mihatra kosa i Hiary Rapanoelina, ka ilay fielezan-dresaka fakana an-keriny no nandetehana azy. 

Nanelingelina

Tokony hahatsapan’ny isam-batan’olona ny mety ho voka-dratsin’ny fikirakirana ny “facebook”, indrindra fa ny filana fitandremana amin’ny zavatra soratana sy lazaina iny toe-javatra iny, saingy toa vao mainka mirara-kompana ny endrika fandikan-dalàna sy fanehoan-kevitra mamoafady raha ny zava-miely amin’ny tambajotran-tserasera tato ho ato. Mety maro no faly sy mankasitraka ny zavatra lazain’ny tena, kanefa tsy ho namana mihitsy, rehefa tojo ny tsy ampoizina, toy ny nahazo an’i Hiary Rapanoelina. An’arivony na an’aliny ny mpikambana tao amin’ny vondrona narindrany, fa mba nisy tena sahy nijoro sy niseho vahoaka hiaro azy ve rehefa nenjehina izy ?  Tsy ampahafirin’ny raharaha kolikoly avo lenta na fanodikodinam-bolam-panjakana ireny, saingy i Hiary aloha no nanelingelina, dia ireny no natao azy, izay nampibaribary ny hoe : tsy natao ho an’ny rehetra ny lalàna eto Madagasikara eto !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT