Nanamafy ny jeneraly Rabotoarison Charles fa ny FFM irery ihany no afaka manatanteraka ny fampihavanam-pirenena eto amintsika, afaka mihaino sy mifanakalo hevitra amin’ireo fikambanana hafa anefa izahay, hoy ity filohan’ny FFM ity na dia tsy mitovy aza ny firehan-kevitra.
Nifarana omaly ny asa fanadiovana teny amin’ny fokontany Manarintsoa Est, nidina teny an-toerana ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary nilaza fa tsy resaka fanadiovana ny faritra onenana fotsiny no tanjona amin’ity hetsika ity fa ny fanampiana ara-bola ny isan-tokantrano ihany koa.
Efa miomana ny hampita ny fanilo amin’izay rafitra vaovao atsangana hisolo ny toerany ny CENI-T.Aorian’ny fahavitan’ny fifidianana kaominaly moa vao hifarana tanteraka ny asan’ny CENI-T .Nisy ny fikaonan-doha nandritra ny 3 andro teny amin’ny CCI Ivato nandinihana ny fananganana ilay l’Organe de Gestion des Elections (OGE) asolo ny vaoieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana mandritra ny tetezamita (CENI-T).
Ny lavanila avy aty Madagasikara no nanomezana hanitra ny sakafon’ireo filoham-panjakana nivory nandritra ny fihaonana an-tampon’i Etazonia sy Afrika tany Washington.Nanafana ny lanonana sy nanentana nandritra ny fiaraha-miasakafo omaly alarobia tao amin’ny Maison Blanche kosa ilay mpihira Amerikana malaza Lionel Richie.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.