HEVITRY NY

FIRAISAMONIM-PIRENENA


  • Alakamisy 30 Jolay 2026

Olana eto ny tsy fananan'ny Malagasy

Vina iraisana lavitr'ezaka »
Hery fahatelo lehibe eto amin'ny firenena ny firaisamonim-pirenena, ary tsy tokony atao ambanin-javatra ny hevitra entin'izy ireo ho tombotsoa an'ny vahoaka eny ifotony. Olana eto Madagasikara hoy izy ireo ny tsy fananan’ny Malagasy vina iraisana lavitr’ezaka fa vinan’izay mpitondra eo foana no resahina eto amin’ny firenena. Natao handraisana lesona ireo tranga nisy teto amin'ny firenena ary fotoan’ny fanavaozana izao ka tsy tokony hisy intsony ny fotoana very raha ny nambaran’izy ireo. Manatanteraka atrikasa fikaonandoha isam-paritry ny firaisamonimpirenena malagasy amin’izao fotoana ka ho an’ny faritra Analamanga dia etsy Ankerana no hanaovana izany. Telo andro natao hamantarana ny tena olana fototra sedrain’ny olom-pirenena eny ifotony, ka hahafahana mamoaka vahaolana amin'izay izy ity. Hisy araka izany ny «projet de société » hivoaka aorian’ny atrikasa. Notsindrin’izy ireo fikaonandoha mahaleotena sy mampiaty an'ny firaisamonimpirenena no atao ary ny firosoana any amin’ny tena fanavaozana no tanjona.
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT