Nitombo be ny fanagiazana fanana sy fanagiazam-bola ataon’ny Bianco nanomboka ny
fiandohan’ny taona 2025, raha ny fampahafantarana. Nanamafy ny ezaka amin’ny fakana ireo fananana sy vola azo avy amin’ny kolikoly sy fanadiovana vola maloto. Nohamafisina fa araka ny fepetra voalazan’ny Andininy faha-04 amin’ny Didy Hitsivolana laharana 2019-015 tamin’ny 5 jolay 2019 momba ny famerenana ny fananana tsy ara-dalàna, dia manatanteraka fanagiazana fananana sy fanagiazam-bola ireo mpanao fanadihadiana avy amin’ny BIANCO mandritra ny dingana voalohan’ny fanadihadiana. Hatramin’izao dia efa nisy 11 ny fanagiazana nalefa tany amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption ) mba hanatanterahana izany amin’ny alalan’ny CSCA (Chambre de Saisie et de Confiscation des Avoirs). Ireto avy ireo : Sambo iray ; trano 4 izay ahitana trano fandraisam-bahiny, trano rihana 6 mbola amboarina, trano fonenana vaovao, sy villa ho birao ; Tany 3: tany 50 ha ao Antsirabe, 18 ha ao amin’ny faritra SAVA, sy tany 400 m² any Antananarivo ; Fiara 4x4 telo ; Fanagiazana kaonty banky mitentina 90.000.000 Ariary. Manodidina ny 25.930.000.000 Ariary ny sanda manontolon’ireo fananana voaangona tao anatin’ny 40 andro voalohany amin’ity taona ity dia efa. Mandritra izany, rehefa manao fanagiazana fananana sy fanagiazam-bola ny BIANCO amin’ny dingana voalohan’ny fanadihadiana, dia manohy amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana kosa ny ARAI (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites ). Ity rafi-panjakana ity no mitantana sy mitahiry ireo fananana voaangona mandra-pamoaka didy farany momba ny fananana. Anisan’ny andraikitra lehibe tanterahin’ny BIANCO ny fiadiana amin’ny kolikoly eto Madagasikara, ka ireo hetsika ataony dia miezaka mamerina ny fananana tsy ara-dalàna amin’ny fanjakana sy manatsara ny mangarahara amin’ny fitantanam-bolam-panjakana, hoy ny seraseran’ny Jirama. Natao ho an’ny rehetra anefa sa misy ny tsy azo kitihina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.