Actualités

Hetsika Tana design week Ho atao mivelatra kokoa amin’izao tontolo izao


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Tontosaina etsy amin’ny gara Soarano nanomboka ny sabotsy teo hatramin’ny 18 martsa izao etsy amin’ny gara Soarano ny andiany faharoa amin’ilay hetsika antsoina hoe Tana design week, izany hoe Tana design week 2.

Mivelatra amin’izao tontolo izao ny hetsika amin’ity taona ity, hoy ny fanazavana, satria dia handray vahiny avy any Soisa, Frantsa, Italia isika. Hisy koa ny hiditra mivantana avy any Inde. Hitondra ny lohahevitra hoe “Ary raha” izany amin’ity taona ity satria io no voambolana heverina ho mahadika ny atao hoe “design” amin’ny teny malagasy. Mamolavola toe-javatra sy toe-tsaina izay “Ary raha” izay. Maro ny fampirantiana ho aseho amin’io fotoana io. Isany ny fanorenana sekoly eny Mahitsy, izay toerana saro-dalana nefa mendrika sekoly tsara. Mpahaitaotrano malagasy sy frantsay no hiaraka hamolavola azy io. Aorian’izay ny atao hoe “Ecole du non savoir” na sekolin’ny zavatra tsy fantatra. Tetikasa hampifandray sekoly maromaro maneran-tany toy ny eto Madagasikara, Pologne, Italia, Frantsa izy io. Ho an’I Madagasikara manokana dia tanora nianatra ny Sorabe no hitondra ny hoe ahoana no hamolavolana ny Sorabe ho sady soratra no angovo hamolavola toetsaina. Fahatelo ny resaka fanaka an-tanan-dehibe, raha atao dika malalaka. Fahaefatra ny hoe manenona lamba, manenona fifandraisana iraisampirenena na “Tisser les lamba, tisser les liens”. Fanontaniana mipetraka ny hoe hionona amin’ny vokatra famarotra eto an-toerana fotsiny ve isika sa hiroso bebe kokoa amin’ny tsena iraisampirenena? Ny faha 5 ny hoe « Ady gasy », izay iarahan’i Dieudonné Razafinjatovo sy Ernesto Rosa no miara-miasa mamolavola izany, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT