Hetsika rahampitso alakamisy

Miha miteny ny marary azy ny isan-tsehatra


  • Alarobia 24 Septambra 2025

Nanao fanambarana omaly ny Fikambanan'ny Taxi

eto Antananarivo Renivohitra na FTAR fa ho avy sy hanontrona ny hetsika ataon'ny filohan'izy ireo, izay sady mpanolontsain'ny tananan'Antananarivo, Clémence Raharinirina, rahampitso alakamisy 25 septambra 2025. Ankoatra izay dia mitaky tsy misy fepetra ny hanafoanana ny Taxi-moto na ireo kodiaran-droa eto Antananarivo renivohitra izy ireo. Hatramin'izay nisian'ny Taxi-moto izay, hoy ny fanazavana, dia nihena ny fidiram-bola ka mahatsiaro mijaly sy sahirana. Indraindray aza tsy mitondra mody na Ariary, hoy hatrany ny fitakian'ny FTAR. Isan'ny tsikaritra ho nifandimby naneho ny heviny ihany koa ireo mpanakanto sy mpitondra fivavaha, hatramin'ny mpanao hatsikana, indrindra, manoloana ity olan'ny herinaratra sy rano ity. Miha miteny ny marary azy, araka izany, ny isan-tsehatra, raha ny hita hatreto aloha mikasika ity hetsika rahampitso alakamisy ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT